HATRIKASA HO FANAMAFISANA NY FIAROVANA NY ANKIZY
07.12.2022
Tontosa androany ny fanombanana ireo asa vita nandritra ny taona 2022 sy ny fametrahana paikady entina hanatsarana ny asa mahakasika ny fiarovana ny ankizy amin’ny taona 2023.
Ny fiaraha-miasa eo amin’ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka maro no nahafahana nanatanteraka izany.
Nitarika ny fotoana ka nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Mponina RAKOTONDRAINIBE Andry.