HATRIKASA MAHAKASIKA NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY HO AN’IREO VEHIVAVY MITONDRA NY ARETINA MAMANY LAVA
Vehivavy miisa 5 ao anatin’ny 1000 no mitondra ny aretina mamany lava na « fistule obstétricale » eto Madagasikara.
Manoloana izany dia nanatanteraka hatrikasa niresahana mahakasika ity aretina ity mba hitadiavana tetikady entina manafoana izany eto Madagasikara ny Minisiteran’ny Mponina sy ny FNUAP.
Nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ny Tale Jeneralin’ny Fampivoarana ny Vehivavy Rova RABETALIANA.
Nandray anjara tamin’ity hatrikasa ity ihany koa ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony, ny solotenan’ny Banky iraisam-pirenena, ny BNGRC sy ny FNUAP izay mpikarakara ary ireo fiarahamonim-pirenena.
Anisany mahatonga an’io aretina io ny fampanambadina aloha loatra an’ireo zatovo vavy sy ny fitondrana vohoka aloha loatra.
Tanjona ny hanenana ny tahan’ny vehivavy mitondra io aretina io ho 50% hatramin’ny 2025 izay dingana entina hanafoana izany tanteraka eto Madagasikara. Nanaovana haitaky ihany koa ny afahan’ireo vehivavy mitondra ny aretina mamany lava mba isitrahan’izy ireo ny Fiahiana ara-tsosialy tsy misy latsakemboka ka hahafahany mizaka ny zony sy mahazo fitsaboana ara-dalana.