
Manoloana ny haitrano nisy tao Antanety Mandaniresaka ny volana Oktobra lasa teo dia tonga nanolotra tan-tsoroka ho an’ireo tokantrano roa niharam-boina vokatr’izany ny Talem-paritry ny Mponina eto Vakinankaratra sy ireo mpiara-miasa eto an-toerana, ka nitondra izay voatsirambin’ny tanana toy ny: Lamba firakotra, koveta, seau, zinga…; hentina hanampiana azy ireo.