Hetsika fanentanana teny ifotony mahakasika ny lanjan’ny fananan’ny ankizy kopia, ny fisoratam-panambadiana, ny ady atao amin’ny herisetra sy ny fampanambadiana ny ankizy, F𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗠𝗘𝗡𝗔𝗕𝗘 | 𝗠𝗮𝗻𝗷𝗮
F𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗠𝗘𝗡𝗔𝗕𝗘 | 𝗠𝗮𝗻𝗷𝗮
Nanao hetsika fanentanana teny ifotony mahakasika ny lanjan’ny fananan’ny ankizy kopia, ny fisoratam-panambadiana, ny ady atao amin’ny herisetra sy ny fampanambadiana ny ankizy, ary ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra ny Fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny Mponina.
Ny Fokontany Andasibe ao anatin’ny Kaominina Manja, Distrikan’i Manja no nanombohana ny hetsika. Izany dia nentina nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fianakaviana.