HETSIKA FANOHANANA AN’IREO VEHIVAVY MAREFO ARA-PIVELOMANA NATAON’NY MINISITRY NY MPONINA MICHELLE BAVY ANGELICA
Araky ny Velirano faha-8 dia mitohy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ny hetsika fanohanana an’ireo vehivavy marefo ara-pivelomana nataon’ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica sy ireo mpiara-miasa aminy.
Tao amin’ny Kaominina Bezaha, District Betioky no nanatanterahana tamin’ny fomba ofisialy ny fandoavam-bola amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao izay notanterahin’ny FID.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fiahiana ny sosialin’ny mponina izany. Narahina fizarana akanjo fitafy io hetsika io.
Ireo rehetra ireo dia natrehan’ny manampahefana sy ireo Ray aman-dReny ara-panahy ao an-toerana.
“ Zava-dehibe ny fanohana ny vehivavy, indrindra fa amin’izao fotoana izao “ hoy Ramatoa Minisitra.