HETSIKA FANOMEZANA SORA-PAHATERAHANA SY KARA-PANONDROM-PIRENENA
Miisa 20 ireo olona feno 18 taona ampiantranoin’ny Minisiteran’ny Mponina ao amin’ny Madcap sy Seba Isotry izay nisitraka ny sora-pahaterahana sy ny kara-panondrom-pirenena androany.
Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Minisiteran’ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana no nahafahana nanatanteraka izany.
Tanjona ny hananan’ireo mpisitraka ny zo feno eo amin’ny fiaraha-monina sy amin’izay sehatra ilany ireo antontan-taratasy ireo.