Hetsika fitsinjovana ny mponina ny eto Moramanga
Toa ireo tany amin’ny faritra sy tanàna hafa dia tafiditra anatin’ny hetsika fitsinjovana ny mponina ny eto Moramanga. Ary noho ny fiaraha-miasa mirindra eo amin’ny fanatanterahana izany dia tokantrano miisa 1300 amin’ireo 8731 hisitraka izany no nahazo ny vatsy Tsinjo. Tokantrano 5700 hafa mahery ihany koa no hahazo ny Tosika Fameno eto Moramanga.
Nilaza ny Filoha Andry RAJOELINA fa ny telo ampahaefatry ny mponin’i Moramanga no hisitraka izao tosika fameno izao vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fitondrana malagasy.