HETSIKA ZOMA FIFANAMPIANA | FITALEAVAM-PATITRY NY MPONINA AO ANALANJIROFO
HETSIKA ZOMA FIFANAMPIANA | FITALEAVAM-PATITRY NY MPONINA AO ANALANJIROFO
Nomena fampitaovana ho entina hanatsarana ny asa fivelomany ireo vehivavy miisa 50 trano ao amin’ny fikambanana « tsy very anjara coco », ao Ambatomipaka, Kaominina Ampasimazavana, Distrikan’i Vavatenina. Mamokatra menaka vita avy amin’ny alalan’ny « Coco palmier » no ataon’ireto vondrom-behivavy tantsaha ireto. Mahavokatra menaka hatramin’ny 400 litatra isakerin’andro izy ireo.
Tonga nijery ifotony ary nanolotra ireo fanampiana sy ny taratasy maha ara-dalàna ny fikambanana tany an-toerana ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Mponina Ramananirina Yan Wilfried, iraky ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo ekipa avy eto amin’ny Fitalevam-paritry ny Mponina Analanjirofo.
Nanambara ny Talen’ny Kabinetra fa anisan’ny Vinan’ny Minisitry ny Mponina ny fanohanana ny asa fiveloman’ireo vehivavy. Koa izany indrindra no antony hitondrana ireto fampitaovana ireto. Ho jerena manokana hoy izy ny lalambarotra hamoahana ny menaka vokarin’izy ireo. Mankasitraka manokana ny Fitondram-panjakana noho izany ny vahoaka ao Ambatomipaka satria sambany mba nahazo fitaovana avy amin’ny Fitondram-panjakana izy ireo tato anatin’ny 10 taona nanaovan’ly izao asa famokarana menaka izao.
Nandritra izany dia nentanina ihany koa ireo vehivavy rehetra vory maro mba hanao ny fandrindram-piterahana mba ahafahan’ny vehivavy manatsara ny faripiainany. Mijoro ara-panjakana ny fikambanana « tsy very anjara coco » koa natolotra azy ny taratasy fanamarinana na « récépissé » ho an’izany.