HO AMAFISINA NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY FIKAMBANANA MIAHY NY OLONA MITONDRA NY ARETINA FAINGOSELA
01.12.2022
Tanteraka tao amin’ny birao Ambohijatovo ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny fikambanana LCDM (Lutte Contre la Drépanocytose à Madagascar).
Natao izao mba hanamafisana ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ireo olona mitondra ny aretina faingosela na drépanocytose amin’ny alalan’ity fiaraha-miasa ity.
Nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ny Sekretera Jeneraly RAKOTONIRINA Patricia. Nitarika ireo mpikambana avy ao amin’ny LCDM kosa ny filoha mpanorina ny fikambanana Pascale Tuseo-Jeannot.