I𝗿𝗮𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗔𝗡𝗞𝗜𝗭𝗬, 𝗙𝗶𝗳𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗦𝗔𝗥𝗬 – 𝗞𝗔𝗕𝗔𝗥𝗬 – 𝗦𝗟𝗔𝗠, 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗠𝗔𝗧𝗦𝗜𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗡𝗬
Ho fankalazana ny iraivolan’ny Ankizy amin’ity taona 2021 ity, ny ministiteran’ny Mponina dia mampanao fifaninanana sary sy kabary ary slam. Mizara sokajy roa ny mpifaninana, 5 ka hatramin’ny 14 taona ary 15 ka hatramin’ny 17 taona. Ny lohahevitra iompanan’ny fifaninanana dia « 𝗡𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗶𝘇𝘆 𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗺𝗲𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗽𝗮𝗵𝗮𝘀𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮 ».
Fotsy maintso ary mena ny loko fototra amin’ny sary. Ny kabary sy ny Slam dia 15 mn ny faharetana raha be indrindra.
Ny sary dia atao ao anaty taratasy fotsy mirefy 21X29,7 cm ary atao ao anaty valopy kely iray mihidy ny anarana sy ny fanampin’anarana, ny daty nahaterahana, ny adiresy ary ny laharan’ny findain’ny mpifaninana na ny ray aman-dreniny. Ireo valopy roa samy hafa ireo dia ampidirina ao anaty valopy lehibe iray.
Ny kabary na slam dia raiketina ao anaty CD ary ampidirina ao anaty valopy kely iray mihidy. Atao ao anaty valopy kely iray mihidy hafa ny anarana sy ny fanampin’anarana, ny daty nahaterahana, ny adiresy ary ny laharan’ny findain’ny mpifaninana na ny ray aman-dreniny. Ireo valopy kely roa samy hafa ireo dia ampidirina ao anaty valopy iray salantsalany.
Ny sangan’asan’ny mpifaninana dia tsy tokony misy marika ahafantarana azy.
Ny sangan’asan’ny ankizy dia aterina eny amin’ny biraon’ny Minisiteran’ny Mponina eny anivon’ny disitirika misy mpifaninana.
Ny fandraisana ny sanga’asa dia manomboka ny 05 jona ary miafara ny 14 jona amin’ny efatra ora hariva. Ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny valin’ny fifaninanana dia atao ny 30 jona foatoana famaranana ny iray volan’ny ankizy.
Raha mila fanazavana fanampiny, manantona ny masoivohon’ny minisiteran’ny mponina na antsoy ny laharana 034 05 170 27 na ny 032 98 033 83, na jereo ny pejy FB ny minisiteran’ny Mponina na ny site “arozaza.mg”