Inauguration du Centre d’Ecoute et de Conseil Juridique pour les femmes dans la commune rurale Mahasolo du District Tsiroanomandidy en Région Bongolava
Notokanana ny ivotoeram-pifandraisana ho an’ny vehivavy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Mahasolo, Distrikan’ny Tsiroanomandidy ao anatin’ny Faritra Bongolava. Natao ity ivotoerana ity hifampizaran’ireo vehivavy na fikambanam-behivavy traikefa.
Ahitana toerana fampianarana zaitra, fampiofanana mahakasika ny fambolena sy fiompiana, fandraisana sy fihainoana toro-dalàna ho an’ireo hiharan’ny herisetra.
Nitarika ny lanonana ny Tale Jeneralin’ny Fampivoarana ny Vehivavy izay nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Mponina sy ireo mpiara-miasa aminy, notronin’ireo olo-manan-kaja maro tao an-toerana.
Nandritra izany no nanoloran’ny Minisitera fitaovana entina mamboly ho an’ireo fikambanam-behivavy toy ny angady, pelle, herse, rateau, fourche ary borety.
Ny Minisiteran’ny Fambolena dia nanolotra zezika ihany koa.
Nofaranana tamin’ny fitsidihana ny ivotoerana sy ireo varotra fampirantina vokatry ny asa-tanan’ireo fikambanam-behivavy ireo ny fotoana.
Madame la Ministre de la Population, représentée par le Directeur Général de la Promotion de la Femme, a inauguré le Centre d’Ecoute et de Conseil Juridique pour les femmes dans la commune rurale Mahasolo du District Tsiroanomandidy en Région Bongolava. Il s’agit d’un lieu de partage d’expérience entre les femmes et leurs associations.
Le CECJ est aussi un lieu de prise en main et de conseil destiné aux victimes de violence. Il dispense de formations dans le secteur agricole, d’élevage et de couture. Assisté par les autorités locales, le Ministère de la Population a donné des outils agricoles et le Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage a offert des engrais.
La cérémonie s’est terminée par une visite des stands d’exposition des produits locaux.