Actualités
Fihaonana amin’ny Sefom-pokontany ny16 jolay 2010Ianareo Delegen’ny Boribontany 6 eto Antananarivo Ianareo Sefom-pokontany 192 manerana ny Boriborintany, Ianareo mpiara-miasa rehetra ao amin’ny Kominina Antananarivo-renivohitra, Tompokovavy sy Tompokolahy, Raha misy mpiara-miombon’antoka voalohany amin’ny fampandrosoana ny tanàna sy ny fiainan’ny mponina, dia anisany rano sy vary amin’izany ianareo Tompon’andraikitry ny Kominina sy Fokontany miaraka amin’ny Ministeran’ny Mponina. Ny antony dia tsotra : any aminareo no tena misy ny vahoaka. Ny olon-tsotra, ny mpandraharaha, ny olona politika, ny fikambanana samihafa, ny mpino isankarazany, dia monina any amin’ny Fokontany misy anareo avokoa. Koa raha mivory eto isika mianakavy anio, dia hanao diniky ny mpirahalahy mianala, ianareo tokin’ny Ministeran’ny Mponina, ary ny Ministeran’ny Mponina andry iankinanareo. Koa arahabaina daholo ianareo rehetra izay tonga amin’izao fihaonana izao, hiara-midinika amin’izay hatao rehetra, manodidina ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mponina, izay mbola mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena. Eto Antananarivo no hankalazaintsika amin’ny fomba manetriketrika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mponina. Tany amin’ny Faritra hatrany no nanaovana azy io hatramin’izay, fa amin’ity kosa dia nofidiana manokana Antananarivo renivohitra, hanehoana eo imason’ny Masoivoho vahiny sy ny olom-pirenena rehetra fa eto no be mponina indrindra. Tsy vitan’ny be mponina fotsiny anefa fa eto koa no be sarangan’olona sahirana indrindra. Eto no misy olona mpitsindroka fako, eto no misy olona mpatory amoron-dalana, eto no misy mipetraka amin’ny trano gony na trano « cellophane ». Mahonena raha renivohitr’i Madagasikara no ahitana tarehin-javatra ohatr’izany. Marina fa mitovy daholo ny aretina iainan’ny vahoaka maro an’isa eto Madagasikara, satria hitanay daholo ny Faritra rehetra, na Kominina na Vohitra samihafa manerana ny Nosy, dia ny fahantrana. Sahirana ny tantsaha, sahirana ny mpiasa madinika, sahirana ny mpanao asa tanana. Tsy misy izay tsy sahirana ankehitriny na mponina andrenivohitra na mponina ambanivohitra. Eo indrindra no hanehoantsika Tompon’andraiki-panjakana eto Antananarivo renivohitra, fa tokony ho fitaratra isika. Isika eto no tokony ho « locomotive » mitarika ny lamasinina ho amin’ny fampandrosoana ny tanàna sy fanatsarana ny fiainan’ny mponina. Eto no andalovan’ny vahiny manan-kaja rehetra, andalovan’ny mpizahantany, itoeran’ireo masoivoho vahiny rehetra. Eto koa ny foiben’ny fitondram-panjakana. Tsy azo atao ambany maso tsy hita ny zava-manjo ny mponina eto Antananarivo, fa sady tongo-bakivaky ny fahantrana hita eto ka sady maharary no mahamenatra. Eo indrindra no ilaintsika ny fananana hambompom-pirenena sy fitiava-tanindrazana, fa ny tena fitiava-tanindrazana dia ny fitiavana hampandroso ny mpiray tanindrazana aminy. Hankalazaintsika mandritr’ity volana jolay ity ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mponina. Ny filamatra noraisina amin’izany dia ny hoe IZAHO, IANAO, ISIKA, HANOME HASINA NY SOSIALIM-BAHOAKA. Tsy maintsy miainga amin’ny fanatsarana ny toeram-ponenan’ny mponina sy ny fampandrosoana ny tanàna izany. Tsy maintsy miainga amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina koa ny fivoarana ara-tsosialy. Mifamatotra amin’izany avokoa ny fisian’ny fandriampahalemana sy ny fahatsaran’ny tontolo iainana. Ka ny fihariankarena rehetra, ny indostria, ny varotra, ny foto-drafitr’asa goavana, ny servisy samihafa, izay hita marobe eto Antananarivo, dia natao hanasoavana ny fiainam-bahoaka avokoa, fa tsy natao hahabotrabotra ny mpanan-karena sy ny mpitondra fanjakana fotsiny. Isika rehetra izao no namana akaiky ny vahoaka indrindra. Koa entano ny vahoaka ao amin’ny Fokontany misy anareo tsirairay avy haneho ny heriny sy ny hambompony, amin’izao fanomezana lanja azy amin’izao Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mponina izao. Nankalazaintsika tamin’ny fomba manetriketrika teo ny faha-50 taoan’ny fahaleovantena, fa mbola hasehontsika koa fa hanaovantsika fanamby goavana ny 50 taona manaraka, mba samy hahitan’ny vahoaka malagasy ny anjara masoandrony avy, fa manan-karena ny tanintsika, fa ny fitantanana no tsy nahomby, ka fahantrana hatrany no nolovain’ny taranaka aty aoriana. Koa mankahery anareo rehetra Masoivohon’ny vahoaka rehetra eto Antananarivo izahay. Andeha isika hitsangana sy hijoro haneho ny firaisankinantsika, manoloana ny tolona goavana hatrehintsika mandritra ny 50 taona ho avy. Misaotra Tompokovavy, mankatelina tompokolahy ! |