
Tanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana
Andriamatoa Praiministra sy ianareo Mpikambana rehetra ao anatin’ny Governemanta Tetezamita ; Ianareo Mpikambana ao anatin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ; Ianareo Manamboninahitra Ambonin’ny Foloalindahy, Mpikambana ao amin’ny Komity Nasionalin’ny Fiarovam-pirenena; Iaanareo Mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avon’ny Lalàmpanorenana; Ianareo Lehiben’ny Faritra 22 ; Ianareo Ben’ny Tanàna manatrika etoana sy manerana an’I Madagasikara; Ianareo Ray amandreny ampanahy Mpitarika Fivavahana tsy ankanavaka; Ianareo Ray amandreny Ampanjaka –Sojabe- Tangalamena manatrika etoana sy Ianareo any lavitra any ; Ianareo Olon-Manakaja, Manamboninahitra Sivily sy Miaramila, Fiarahamonim-pirenena sy Mpandraharaha ara-Toekarena, na vahiny na teratany; Ry Vahoaka Malagasy Tsy vaky volo, Tompokolahy sy Tompokovavy ! Am-pifaliana sy am-pitiavana no afahana mifanatri-tava aminareo rehetra manatrika izao lanonana izao, eto amin’ity lampam-panjakana ity. Ary ny saina sy ny fo dia miantefa indrindra indrindra any aminareo mpiray tanindrazana manerana ny nosy, tratry ny taona 2010.
Koa manolotra ny arahaba ho an’ny Malagasy rehetra ny tenako. Arahaba toy ny masoandro mibaliaka ka samy hahazo ny anjarany ny tsirairay avy. Masoandro ho fanilon’ny andro, hitondra hazavàna hanenika ny isan-tokan-trano tsirairay anie ity taona vaovao ity. Arahaba koa toy ny volana, hanazava ny alina, hitondra fanilo hanala ny haizina rehetra. Koa arahaba Tompokolahy, arahaba Tompokovavy. Misaotra an’Andriamanitra isika notantaniny nandritra iny taona lasa iny ; ka natratrarantsika indray izao taona vaovao izao. Tommpokolahy sy Tompokovavy, Faly tokoa ny fo, ravoravo ny saina, ary heninkaja sy henim-boninahitra izahay mivady amin’izao fahatongavanareo maro eto izao, mampiseho ny fitiavana sy ny soatoavina amin’ny maha Malagasy. Ny soatoavina Malagasy tokoa, satria tsy ny maha zanaka anay, tsy ny maha zandry anay, tsy ny maha-tanora taona anay sy ny maha maitso volo anay no nojerenareo na nitsarànareo anay, fa ny toerana sy ny andraikitra izay sahaninay ho hajainareo sy lalainareo. Koa feno fisaorana mitafotafo anareo ny tenanay satria mamy tena mamy ny teny navaokanareo teo. Mavesatra ny tsodrano nomenareo. Mafonja ny fankaherezana maro samy hafa avy any aminareo. Voaray an-tanan-droa ny hafatra sy torohevita avy aminareo ka tsy ataonay ho raraka an-tany. Ho antsika Malagasy rehetra tsy vaky volo kosa dia misy hafatra tiako ampitaina amintsika amin’izao taona vaovao izao. Hafatra mifono fanantenana, hafatra arahina finoana ary hafatra hafahantsika miatrika ny ho avy. Resy lahatra aho ary handresy lahatra, eny na ianareo anaty fanahiana aza, satria ao anatin’ny hafaliana sy ny fahasahiranana, ny fisian’ny olombelona tsirairay avy no hahafantsika manorina fiaraha-monina vaovao izay hafahana mijery ny ho avy mamiratra. Satria araka ny efa nolazaiko dia ao natin’ny mangidy no ahitana ny mamy. Amin’ity taona ity dia hanamarika ny faha-50 taona nazahoana ny fahaleovan-tena isika. Tsapa fa taraiky Madagasikara raha hoarina amin’ireo firenena hafa rehetra ary voalahatra ho anisan’ny faran’izay mahantra indrindra aza. Ry Vahoaka Malagasy, tsy kilalao anefa ny fiainam-pirenena. Koa eo anoloan’izao zava-misy hiainantsika izao dia mamelà ahy ianareo hanao kisary hanazavàko ny lalana nodiavin’ny Malagasy sy ny zava-misy mikasika ny fiainam-pirenentsika. Raiso sy hoary ho toy ny “SAMBO BE” i Madagasikara. Sambo be izay misy “TRANOBE” voarafitra eo ambonin’ny ka izany tranobe izany dia ny “Fiarahamonina Malagasy”. Dimampolo taona izay dia Malagasy avokoa ny kapiteny tsambo sy ireo mpanamory rehetra manodidina azy. Saingy indrisy, tsy nihetsika firy ary tsy mety lasa lavitra ny sambo be Madagasikara. Nihitsoka matetika ary tsy mety nahatratra ny tanjona nokendrena na dia teo azan y ezaka, ny fihafiana sy ny fahafoizan-tena nasehon’ireo maro an’isa. Ny antony ? Ireo kapiteny Malagasy sy mpanamory rehetra nifandimby, no nigoka samy irery sy nanararaotra ny tombntsoa rehetra ary nanomboka nanondrana ny angovo avy ao anaty sambo ho an’ny tombotsoany sy ny tombotsoan’ny any ivelany, fa ny daholo be maro an’isa dia fadiranovana, tsy ampy sakafo, tsy mitafy, marary tsy misy mpitsabo, very fanahy mbola velona, tompony mangataka atiny… Ary dia nitraotra ny maro an’isa tao anatiny. Nitaky fanovàna ny fomba familiana sy ny fomba fitantanana satria fantatr’izy ireo tsara fa sambo be matanjaka, manana hery tokony ho lasa lavitra, manana angovo maro tsy hita peipesinina kanefa ratsy ny fandrindrana. Fa ny loza sy antambo mitatao eo ambon’ny lohan’ireo maro an’isa dia tsy inona fa manao tampody tampoka ka miady, mifandrotika, mifandrombaka ny hiverina eo amin’ny familiana ny sambo be Madagasikara avokoa ireo kapiteny tsambo telo lahy teo aloha… Miantsy, mampisara-bazana, mampiady ary mamaky ady ka ny hahavaky sy haharendrika ny sambo be Madagasikara mihitsy no tanjony rehefa tsy izy ireo no eo amin’ny familiana. Rah any ara-poilitika no resahina Tsy mino aho hoe, ao anatin’ny herisetra na Ny fampiasàn-kery, no hafahantsika hamaha ny olana, fa ny andraikitry ny ray aman-dreny sy ny mpanao politika, dia ny mandresy lahatra ny vahoaka, ny mampiray ny Malagasy, fa tsy ny mampiady n any mampizarazara, satria ny Malagasy dia iray ihany (aiza ilay fampihavanana, aiza ilay fampihavanana ?), ary tokony hiompana tanteraka any ny fandraisana andraikitry ny tsirairay avy ao anatin’ny fifanajana. Tsy ekena ny fanakorotanana sy ny fampiadiana ary ny fampizarazarana ny Malagasy fa ny fitondrana ny tetezamita dia haka kosa ny fepetra sy ny andraikiny rehetra mba hisian’ny filaminana sy fandriampahalemana mba hahatongavantsika ho any amin’ny fifidianana izay hany vahaolana amin’ny olana misy eto amin’ny firenena. Tompokolahy sy Tompokovavy, Tsy fotoanan’ny kabary intsony izao satria efa be loatra izay kabary izao. Fa kosa fotoan’ny asa mba hafahana mitango ny vokany. Samy tompon’andraikitra ny tsirairay avy ary tokony samy handray izay tandrifiny azy. Koa toy izao manaraka izao ny torolalana sy ny toromarika apetrako ho dinihin’ny Governemanta ka ho tanterahany :• Eo amin’ny lafin’ny fandriampahalemana
Fototra voalohany ny fanamafisana ny fandriampahalemana manerana ny Nosy (Na Antanandehibe na eny Ambanivohitra). Anisan’ny tanjona napetrantsika ny ady amin’ny halatr’omby ka ny fitaovana hoentina hampongorana izany dia ef eto an-toerana izay anisan’ny fanamby lehibe napetraky ny fitondrana tetezamita dia tsy inona izany fa ireo helikoptera 4 izay efa tonga eto ka hoampiasaina tsy ho ela. Ny tanjontsika amin’izany dia ny nampihenana hatramin’ny 60 % halatr’omby. Hanamafy hatrany ny fandraisany andraikitra ny Foloalindahy (Tafika – Zandary – Polisy) na an-tanan-dehibe fa indrindra ny any ambanivohitra rehetra any. Ary amin’izao fankalazana ny faha 50 taonan’ny fahaleovantena izao dia hoavaozina manaraka ny toetr’andro ny fitaovan’ny foloalindahy. (26 jiona : matso)
• Mikasika ny mpiasam-panjakana
Na dia betsaka aza no mieritreritra fa tsy ho voaloa ny karaman’ny mpiasa-panjakana tamin’iny taona lasa iny, ary na dia sarotra sy tsy ho afaka atao azan y mampiakatra izany amin’ity taona ity, ny taonjonay mpitantana dia ny mba hahafahanay mampiakatra ny farimpiainan’ny Malagasy rehetra, ary anisan’izany ny mpiasa-panjakana. Amin’ny alalan’ny fahaizana mitsitsy sy fahaizana mitantana no hafahana manantanteraka izany. Ohatra amin’izany ny ato amin’ny fiadidian’ny repoblika amin’ny fanenana ny Tetibolany ho 50% sy ireo fandanian’ireo minisitera samihafa, ary ambarako fa izay ampiakarina am-pitiavana 10% ny karama mpiasam-panjakana manomboka izao. Mazava ho azy fa tsy ho voavahy ao anatin’ny iray andro na volana vitsy ny olana rehetra misy eto amin’ny firenena, fa manàna finoana ianareo fa hanao ny ezaka rehetra arak’izay tratranay izahay ary efa mankany amin’ny lalan’ny fanovàna isika izao.
• Apetraka ny tetika hanamafisana ny “Ady amin’ny Kolikoly” :
Isaky ny Ministera izany, ka mihitatra any amin’ny ambaratongam-pitondrana rehetra manerana ny Nosy. “Rafim-pitantànanan mahomby “ no apetraka sy ampiarina. Ho raisin any fepetra rehetra hiadiana sy hamongorana izany “Kolikoly “ izany. Dikany : Ireo Mpandraharaha na fikambanana, na olon-tsotra dia tokony hahatsapa fa malalaka ny fandraharahàna eto Madagasikara ary efa tsy misy intsony ampihimamba ekônomika. Eo anilanareo hatrany ny fitondram-panjakana ary hanamora ny fahafahanareo mamorona asa sy mampiroborobo ny famoronana as any hisakantsakànana ny asa na zavatra rehetra hifandraisany amin’ny Fanjakana.
• Eo amin’ny lafiny “Lamina ara-toekarena” :
Dia efa nambarako fa ny Fitondrana Tetezamita dia tsy hanao fifanarahana vaovao amin’ny Firenena any ivelany eo amin’ny lafiny fitrandràhana ny harena sy angovo hananantsika fa kosa ho andraikitry ny Repoblika faha Efatra izany.
• Eo amin’ny lafiny fananan-tany :
Hamoraina hatrany ny fahazoan’ny Malagasy “Titra” mikasika ny fananan-tany. Tsy ekena mihitsy ny kolikoly mambabo sy manodina tanin’olona sy fananan’olona ka handray fepetra mifanandrify amin’izany ny Fanjakana Tetezamita.
• Eo amin’ny lafiny fambolena :
Tsy mbola mahavitatena ara-tsakafo i Madagasikara. Raha 39% ny velaran-tany azo volena dia tsy misy afa tsy ny 4% fotsiny no voavoly. Izany hoe, tsy maintsy apetrantsika ny tetika vaovao amporisihina ny tanora marobe ary ireo tsy an’asa sy very asa mba hitodika any amin’ny fambolena. Ka ny tanjona hoapetrantsika izay atomboka amin’ity taona ity dia ny tsy hanafarana vary avy any ivelany intsony ary hozaraina amin’ireo izay tena vonona hamokatra ny tany 30 000 ha (telo alina hektara), ary hovatsiana fitaovana, fanofanana ireo vonona amin’izany. Tanjontsika ny hahavelontena ara-tsakafo. Hampihena ny vidim-bary. Ho fanatanterahana izany, ny fanjakana dia naka fepetra fa tsy misy hetra aloha ny fampidirana fitaovam-pambolena rehetra eto Madagasikara.
• Eo amin’ny lafiny fitsarana :
Tsy maintsy hafainganina ny fitsaràna ireo olona migadra efa aman-taonany kanefa mbola tsy voatsara hatramin’ny androany. Manome fetra fa tokony efa ho voatsara daholo ny ankamaroan’ireo “Mbola tsy voatsara” raha miditra any Repoblika faha Efatra isika. Ary ny olona rehetra mihoatra ny 70 taona ka mbola manefa ny saziny any am-ponja, dia hampindràna fo ka hohafàhana avy hatrany raha toa ka tsy heloka bevava no nahavoasazy azy. Ary misy koa fanalefahan-tsazy ho an’ny rehetra afats’ireo izay voaheloka noho ny fanakorontanana ny firenena, famonoana olona, sy ny fanakorontanana ny firenena.
• Eo amin’ny lafiny fametrahana ny rafitra :
“ Tao-trano hono tsy vitan’ny irery”, koa izany indrindra no antom-pisian’ny fivoriana sy fifanakalozan-kevitra ny Alarobia sy Alakamisy 06 sy 07 janoary lasa teo teny Ivato. Isaorana ireo mpandray anjara tamin’iny fifanankalozan-kevitra iny : dia ny fiaraha-monim-pirenena izany, ny antoko pôlitika, ny sendika, fikambanana samihafa, vondron’olona ary olom-panjakana. Manambara ireny fa ao amintsika ny fahavononana hametraka rafitra vaovao ahafahana manangana ny repoblika fahaefatra. Fai reo fehin-kevitra efa navoaka dia hodinihina akaiky.
• Momba ny fifidianana
Efa nolazaina ombieny ombieny fa ny fifidianana ihany no hany lalan-tokana hamahana izao olana ara-pôlitika izao. Porofo manamafy izany ny faneken’ny “ Fikambanambe Iraisampirenena” fa ny FIFIDIANANA no hany vahaolana. Malalaka ny fifaninanana. Na ny tanora, n any efa mahazo taona, na ireo zoky be dia mahazo milahatra amin’ny fiaingàna avokoa. Hitsangana ny mpandamina mahaleotena : ny C.E.N.I (komity mahaleo tena misahana ny fifidianana) izany. Mpanamora fotsiny ny fanatanterahana ny Fanjakana. Efa hatramin’ny ela no nitakiana io rafitra io. “Tao-trano” vaovao mafy orina sy hateza ho an’ny taranaka hifandimby rehetra no tsy maintsy apetraka. Koa rehefa vita ny fifidianana voalohany izay trehantsika dia ny Solombavambahoaka voafidy no hanolotra ny ho PRAIMINISITRA avy amin’ny antoko na vondronkery maro an’isa. Ary io Praiminisitra io no hanangana ny “Governemanta Fampiraisam-Pirenena”. Io “Governemanta Fampiraisam-Pirenena” io no hanomana ny “Conférence Nationale” izay hamolavola ny Lalàmpanorenana vaovao. Ny Solombavambahoaka kosa no handany izany Lalàmpanorenana izany. Vita izay rehetra izay dia hiditra any amin’ ny fifidianana ny ho “Filohampirenena” ny Vahoaka Malagasy. Dingana lehibe hampilamina sy hirosoana any amin’ny Repoblika faha Efatra izany. Ho madio, mangarahara ary ao anatin’ny Fahamarinana tanteraka no hanatontosantsika izany rehetra izany. Ilaina mihitsy anefa ny fahatongavan’ny “Mpanaramaso Iraisam-pirenena” hiantoka ireo fifidianana ireo. Ry Vahoaka Malagasy, niaritra ny mafy hatrizay, Na dia eo azan y olana nisakatsakana sy ireo fasahiaranana samihafa, “IZAY ZAVATRA NOLAZAINAY DIA TSY MAINTSY HO TANTERAHINAY”. Ho tanterahina satria tombon-tsoa ho an’ny mpiaray tanindrazany, ho an’ny firenena ary ho an’ny Madagasikara izany. Nataonay ary ho ataonay daholo izay mety rehetra, amin’ny fomba rehetra; hahafahana mametraka ny tanjona izay tiantsika ho apetraka ho an’ity firenena mamintsika ity. Ary milaza aminareo aho fa : “ tsy misy mafy tsy laitra ny zoto” ary tsy maintsy ho avontantsika sy tsy maintsy ho avotra Madagasikara. Nanomboka ny nitsangananan’ny tetezamita nandritra izay 10 volana lasa izay dia efa nisy dingana nalehantsika mankany amin’ny fanovàna. Tsapako sy fantatro ihany koa ny ahiahy sy ny tebiteby misy ao amintsika amin’ny ho avin’ny taranaka faramandimby ary amin’ny ho avin’ny firenena.
• Hetseho ny ambom-ponao fa tsy voahozona ho fadiranovana isika fa afaka mihoitra sy miavo-tena.
• Tsy nisy nateraka ho bady sanatria, ka azo ambakaina sy fitahina lava izao. Koa :
• Savasavao, alaivo ambony alaivo ambany, ka ataovy izay hihavàhan’ny “Vary sy ny Tsimparifary”.
• Nomen’Andriamanitra antsika ny soatoavina, ny fahendrena sy indrindra ny “Fanahy Maha Olona” koa izany hery rehetra ao aminao izany no atao ampinga sy fitaovana hiadiana ka hisondrotana sy hivoarana eo ambanin’ny fitahian’Andriamanitra. Tompokolahy sy Tompokovavy, Lalan-tsarotra ny lalantsika! Lalan-tsarotra anefa feno Fanantenana sy feno fahombiazana mankany amin’ny Fandresen’ny Vahoaka Malagasy tsy vaky volo ! Ry vahoaka Malagasy, matokia fa tsy hamitaka anareo aho, tsy handainga aminareo aho ary tsy maintsy milaza ny marina aminareo satria zo anareo ny mafantatra ny zavatra rehetra ary tsy hitsaravelatsihy aminareo mitsy aho.
• Mba hanjakàn’ny “FIRAISANKINA ao anatin’ny FAHASAMIHAFANA” marina anie ny olon-drehetra ao anatin’ny sambo be Madagasikara ;
• Mba ho vavolombelon’ny “FIFANKATIAVANA” anie i Madagasikara ; Hitondra soa sy fanambinana ho antsika mianakavy sy ny Firenena iray manontolo anie ity taona vaovao diavintsika ity, ka mba hisava anie ny zavona, hazava anie ny andro, ka mba hahazo ny tena anjara masoandrony ny isam-batan’olona sy ny Vahoaka Malagasy tsy vaky volo! Ny herin’ny Voninahitr’Andriamanitra anie hirotsaka amintsika sy hitantana ny diantsika ary ny fahasoavana masina avy any Aminy ihany koa hirotsaka ho antsika tsirairay avy. Apetrantsika tanteraka ampitokisana eo am-pelatanany ny ho avintsika iray manontolo! Masina ny Tanindrazana!
Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy!