Index de l'article
Discours
Fisaorana
Toutes les pages

Fanambaran- dRamatoa Ministry ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy ho fanamarihana ny fiantombohan’ny iray volana natokana ho an’ny ankizy, 01 Jona 2009

Tompokovavy sy Tompokolahy,                                                                               

Rankizy malala manerana ny Nosy,

Ny volana Jona manontolo dia natokantsika Malagasy ho iray volan’ny ankizy. Isan- taona dia nomarihintsika hatrany izany amin’ny fanaovana hetsika, amin’ny fanohanana ny ezaka maro ahafahana hanampiana tosika sy hanatanterahana ny fiarovana ny ankizy ary hanentanana ho an’ny fitakian-jo ho an’izy ireo.

Koa miarahaba manokana anareo ny tenako rankizy, amin’ny anaran’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy, sy amin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana manontolo, nahatratra ity volana Jona natokana ho anareo ity.

Ho avin’ny Firenena ianareo Rankizy.

Izahay Ray aman-dReny samy nandalo fahazazana avokoa. Fotoana sarobidy indrindra izany taom-pahazazana izany eo amin’ny fiainana. Eo no ihantahantana amin’ I Dada sy I Neny, eo no fotoana ilalaovana be indrindra sy tsy ieritreretana zavatra maro, eo no fotoana isandratan’ny maha olona tsikelikely, amin’ny alalan’ny fianarana sy fanabeazana samihafa, ka manefy ny ankizy ho olon-dehibe. Ny fahazazana no mamolavola ny olona ho lasa olom-banona sy tompon-andraikitra, araka ny fisainana ara- pilozofia hoe « Ny zaza no Rain’ny olombelona » (L’Enfant est le père de l’homme).

Aiza ho aiza amin’izany anefa ny zaza Malagasy ankehitriny ?

Miaina amin’izany tontolon’ny filalaovana, fianarana sy fitsimbinana ny ho aviny izany ve ny zaza Malagasy ? Mba afaka tsy mieritreritra izay hohaniny sy hotafiany sy izay fitaovam-pianarany ny zaza rehetra any amin’ny firenen-kafa ve izy ireo ? Jereo ny ny manodidina antsika, jereo ny ao an- tokantranonao, jereo ny eto amin’ny firentsika, fa mampalahelo ny zaza Malagasy, dia ireo maro an’isa izany.

Betsaka ny tokantrano mikorontana noho ny fahantrana, ka ny ankizy no mizaka ny vokany. Be ireo misara- panambadiana noho ny antony samihafa ka ny ankizy no voatositosika na ifandroritana.

Maro ireo ankizy no tsy miaina amin’ny fiainana milamina eo anatrehan-dRay aman-dreniny intsony, fa voatery mandao fianarana, mitady vola, na mangataka mba hanampiana ny Ray aman-dReny. Misy alaim-panahy hangalatra na hivaro-tena mihitsy na dia tsy ampy taona aza noho ny tsy fahaveloman’ny Raiamandreniny azy ihany.

Io ilay vokam-pahantrana fahadiranovana nahatonga ny vahoaka Malagasy hitaky hatrany ny fanovana ifotony.

Mbola azo eken’iza ve, fa any atsimo any ; noho ny Kere, dia zaza mena vava iray isakin’ny adiny roa no maty ?

Aoka izay ny ankizy mipitrapitra, mangata-maso, magataka eny an-dalambe ary mangasihasy sy mitsiriritra. Mamy amin’ny Malagasy ny fananana zanaka. Ny zanaka dia « menaky ny aina », « dimby sy fara », »harena ny zanaka » sns sns…

Tsy natao hateraka sy handimby fotsiny anefa ny ankizy, fa natao hiaina finaritra ao anatin’izany fahazazany izany koa. Hiantohana izy ara-tsakafo, hiantohana izy ara-pitafy, hiantohana izy ara-panabehazana sy ara-pahasalamana, fa izany no fiarovana tsara indrindra ary fanomanana azy ho an’ny ho aviny.