TENY FANOLORANA

Natao ity gazety boky ity ho firaketana an-tsoratra sy an-tsary ny zava-bitan’ny Ministeran’ny Mponina, hanasongadinana ny andraikitry ny “Direction” misahana ny asa sosialy sy ny lafiny fampandrosoana rehetra, ary hanehoana ireo sehatra maro iaraha-miasa amin’ny Departemanta ministerialy samihafa.

Tsy ny asa vita eo anivon’ny Ministera foibe sy ny “Directions centrales” ihany anefa no hasongadina eto, fa ireo zava-bitan’ny “Directions régionales” koa, fa izay no maha Seraseran’ny Mponina azy.

Marihina eto aloha fa nofoanan’ny fitondrana teo aloha ny Ministeran’ny Mponina tamin’ny 2007, ka natambatra tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamana, kanefa Ministera efa nisy hatramin’ny 1976. Manambara izany fa natao ho faralahin-jaza ny Ministeran’ny Mponina teo anivon’ny fitondram-panjakana, ka natao hamenoana ny banga fotsiny teo amin’ny governemanta, sady anisan’ny kely vola indrindra no noheverina ho mpanao asa sosialy maivana dia maivana, ka farany dia nofoanana tsotr’izao.

Mety ho antony avy ato anatin’ny Ministeran’ny Mponina ihany anefa no nahatonga izany fiheverana azy ho faralahin-jaza sy tsy fanomezam-bola ampy izany, ka nitarika ny fanafoanana azy mihitsy, nefa koa mety ho antony ara-politika tsotr’izao, dia ny fanapahan-kevitra samirerin’ny mpitondra teo aloha.

Teo anatrehan’ny fiheveran-dison’ny mpitondra izay, dia naverina amin’ny laoniny ny Ministeran’ny Mponina ankehitriny, araky ny fanapahan-kevitry ny fitondrana tetezamita. Andraikitra goavana no napetraka taminy, dia ny hanamaivana ny fahantram-bahoaka amin’ny alalan’ny fanampiana samihafa, eo koa ny fanabeazana sy fanentanana ny olona na vondron’olona isan-tsehatra hiala amin’ny fahantrana, miampy ny fananganana foto-drafitr’asa ara-tsosialy samihafa ho amin’ny fampandrosoana ny maha olona sy hanabe voho ny fiharian-karena isam-pianakaviana.

Nasiana arak’izany “Direction générale” anankiroa, ka ny iray misahana ny fiarovana ara-tsosialy (DGPSGFE) ary ny iray misahana ny fampandrosoana ara-tsosialy (DGPDS). Ankoatr’ireo rafitra mpanatanteraka roa lehibe ireo, dia najoro koa ny rafitra isam-paritra rehetra, toy ny “Direction régionale” sy ny “Delegation” any amin’ny distrika rehetra.

Ny “Secretariat général” kosa no miahy azy roa tonta ireo, sady miahy mivantana ny “Direction régionale” 22, ka izy no mandrindra ny asan’ny Ministeran’ny Mponina amin’ny ankapobeny.

Mazava ho azy fa eo koa ny Kabinetran’ny Ministera miaraka amin’ny Talen’ny kabinetra sy ireo Mpanolo-tsaina teknika isan-tsokajiny izay mandrafitra ny politika fototra hitondrana ny programan’asan’ny Ministera, ka rano sy vary ny asa sahanin’ireo sehatra mpamolavola sy ny sehatra mpanatanteraka ireo eto amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy, ka tsy afa-misaraka fa mifameno tanteraka.

Dia misokatra ho anareo any amin’ny Departemanta sy Sampan’asa rehetra any ity Seraseran’ny Mponina ity, hifanakalozam-baovao sy ho fanabeazana ny vahoaka fa izay no antom-pisian’ny Ministeran’ny Mponina.

 

Ramatoa Nadine RAMAROSON.

Ministry ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy