IRAY VOLAN’NY ANKIZY | FIZAHANA MASO MAIMAIM-POANA HO AN’NY ANKIZY
Notanterahina teo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampiavoarana ny Vehivavy ny fizahana maso maimaim-pona ho an’ireo ankizy beazina eny amin’ny Akany.
76 ireo ankizy nisitraka izany ary 44 tamin’izany no nahazo solomaso.
Ny hetsika fizahana maso dia niarahana nanatontosa tamin’ny ONG Adventist International Eye Services sy ireo Foibem-pitondrana voakasik’izany eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina.