IRAY VOLAN’NY ANKIZY MANANJO HISAKAFO TSARA IREO ANKIZY
29.06.23
IRAY VOLAN’NY ANKIZY
MANANJO HISAKAFO TSARA IREO ANKIZY
Tontosa anio ny fampisakafoanana ireo ankizy miisa 350 teto Manakara, mbola tohin’ny fanamarihana ny IRAY VOLAN’NY ANKIZY, fiaraha-miasa tamin’ny Direct’aide amin’ny alalan’ny Andriamatoa Abdallah.
Ankoatra ireo dia efa nisy ihany koa ny fizarana arendrina ny alin’ny faha 25 jona teo raha nampilalao azy ireo ny narainan’iny. Etsy andaniny dia mitohy hatrany ny fandraisana an-tanana ireo ankizy iharan’ny herisetra.
Misolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia ka manatanteraka ny asa eny ifotony ny Talem-paritry ny Minisitera ao Fitovinany.