NY SAINAM-PIRENENA / LE DRAPEAU
Loko telo no manome ny sainam-pirenena Malagasy, ny fotsy mitsangana, ny mena mitsivalana ambonin’ny maintso mitsivalana ihany koa. Mitory ny endrin-javaboahary misy eto Madagasikara ireo loko telo ireo ary mitory ny firaisam-pirenena.
Ny mena na mena ràn’omby izay mariky ny fiandrianinana, ny fandresena dia loko natokana hoan’ny mpanjaka tany aloha, taty aoriana kosa dia nitory ny firaisam-pirenena satria lokon’ireo biriky tanimanga mandrafitra ny ankamaroan’ny trano miorina manerana ny Nosy.
Ny Fotsy dia mariky ny fahadiovana, ny filaminana ary ny fahalalahana ary mariky ny lamba fitafin’ireo vehivavy malagasy ihany koa amin’ny andro rehetra na ankafaliana na ankaratsiana. Fotsy manjompika tahaka ireo salohim-bary rehefa fotoambokatra ihany koa, ny vary izay fototsakafon’ny Malagasy.
Ny maintso izay mariky ny fanantenana dia mampiseho ny hamaintsomavan’ny Nosy izay mampifandray ny Malagasy iray manontolo. Saika manerana ny Nosy dia ahitana maintso avokoa na ny ravinala izany mandrafitra ny any anindrantany, na ireo voly sy ala maintso manemotra ny afovoantany
NY TENY FILAMATRA / LA DEVISE
Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana
Fitiavana = Ny fitiavana eto dia hetsim-po mitarika sy manosika hanasoa ny mpiara-belona
Tanindrazana = tany ampiandohana ny teny hoe Tanindrazana dia tany nolovaina avy amin’ny razana, satria tokoa mantsy tsy azo amidy na afindra amin’ny vahiny ny tany araky ny baikon’ny mpanjaka araky ny làlana nivoaka ny 29 mars 1881. Ny mpanjaka tokoa no tompon’ny tany tany aloha ary izay omeny izany dia tsy mahazo mivarotra izany amin’ny vahiny satria ny fianakaviana nipoirana no niasa sy nifofotra nahazoana ireo tany nonenana sy niasana noho ny fitsinjarana isam-poko nisy tamin’izany fotoana izany. Taty aoriana noho ny fivoaran’ny fiarahamonina dia niitatra ilay foko ka lasa firenena « Ny ranomasina no valam-parihiko, hoy Andrianampoinimerina » ka zary lasa fomba amampanao ny fiarovana ny tany izay niadian’ireo razana ny nitanana azy ireny sy namindra azy ireny amin’ny taranaka ka nanjary ho TANINDRAZANA.
Fandrosoana = Ny fandrosoana eto dia isan’ny tanjona tratrarin’ny firenena malagasy iray manontolo mba hampiadana ny Malagasy isambatan’olona ka hisian’ny fampiroboroboana ny firenena mba horeharehan’ny taranaka fara amandimby.
NY HIRAM-PIRENENA / L’HYMNE NATIONAL
Ry Tanindrazanay Malala ô ! no hiram-pirenena Malagasy izay nosoratan’i Pasteur Rahajason ary narindran’i Norbert Raharison
Ry Tanindrazanay malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.
Refrain
Tahionao ry Zanahary
‘Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay.
Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
‘zay sarobidy sy mendrika tokoa.
Refrain
Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan’ny satanao.
NY FITENY / LA LANGUE
Ny teny malagasy no tenim-pirenena.
Ny teny malagasy sy frantsay ny fiteny ofisialy.