KALY TSINJO – FIAHIANA ARA-TSOSIALY TETO AMIN’NY BORIBORINTANY FAHAENINA
Tokantrano sahirana maro manerana ireo Boriborintany Enina eto Antananarivo Renivohitra no misitraka ny « Kaly Tsinjo » izay hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo avy amin’ny Fitondram-Panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina ka miandraikitra izany mivantana ny Ministera tantanin-dRamatoa MICHELLE Bavy Angelica Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-Tsosialy ary ny Fampiroboroboina ny Vehivavy. Mitsinjara toy izao: olona miisa 925 isanandro isaky ny Boriborintany Enina (6) eto Antananarivo Renivohitra no misitraka ny Sakafo. Izany hoe 5550 olona isanandro izany ary mandritra ny telo (3) Volana tsy miato hafa tsy ny Alahady. Ny fokontany no mahafantatra ny olona tokony hisakafo ao aminy.