KALY TSINJO – FIAHIANA ARA-TSOSIALY.
KALY TSINJO – FIAHIANA ARA-TSOSIALY.
Natomboka ny fizarana KALY TSINJO izay tontosain’ny Fitondram-Panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina ka misehatra mivantana amin’izany ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-Tsôsialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy manerana ireo Boriboritany Enina eto Antananarivo Renivohitra. Olona mihoatra ny 5550 (925 olona isaky ny Boroborintany) isan’andro no hisitraka izany vatsy izany; izany hoe 66 600 olona ato anatin’ny 78 andro. Mifarimbona amin’ny Ministeran’ny mponina amin’izany ny Solombavam-bahoaka sy ny Distrika ary ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominina sy Fokontany. Ireo fianakaviana marefo ara-pivelomana no hanaovana izao fiahiana ara-tsosialy izao.
« Fitia mifamaly mahatsara fihavanana ».