« KIT DE DEMARRAGE » HO AN’IREO VEHIVAVY MPANAO ASA TANANA.
Nanome voninahitra ny lanonana fanolorana ny KIT DE DÉMARRAGE ny vadin’ny Filoham-pirenena, Ramatoa Mialy RAJOELINA niaraka tamin’ireo Minisitra vehivavy mpikambana ao amin’ny Governemanta, ny solotenan’ny UNFPA miasa eto Madagasikara ary ireo olo manan-kaja maro. Hetsika izay tafiditra anatin’ny tetik’asan’ny UNFPA iarahana amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Minisiteran’ny fampianarana teknika ary ny fampiofanana ara-kasa ho amin’ny fampihenanan ny tahan’ny fahantrana amin’ny alalan’ny fanomezana asa ireo vehivavy izay tena marefo sy manana fahasembanana ara-batana. Fitaovana maro no natolotra : lafaoro, fitaovan-dakozia isan-karazany ary vilany. Ny Ivotoerana Nationaly amin’ny Fampiofanana ireo olona manana fahasembanana eny Ampandrianomby no hanofana azy ireo.
Nofaranana tamin’ny fampahafantarana sy fitsidihana ny HAR’KANTO « Centre de partage de production artisanale » ny fotoana.