Lancement officiel de la formation des femmes sans emploi et victimes de violences
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 9 Febroary 2021 tao amin’ny Made 4 Woman Anosivavaka ny fampihofanana ireo vehivavy tsy an’asa sy niharan’ny herisetra.
Nisolo tena ny Ministry ny Mponina ka nitarika ny fotoana ny Talen’ny Kabinetra. Tanjona ny ahafahana manome asa sy fidiram-bola ho an’ireo vehivavy ho entiny mihoitra amin’ny fiainana. Fiofanana mahakasika ny rary rofia, fampianarana teny frantsay ary fahaiza-mitantana no omena azy ireo. Ho an’ireo manan-janaka dia efa misy ny toerana manokana hikarakarana sy handraisana an’ireo zaza. Nitohizana tamin’ny fitsidihana ny asa tanan’izy ireo ny fotoana.
Le lancement officiel de la formation des femmes sans emploi et victimes de violences a eu lieu le 9 février 2021 au siège de « Made 4 Woman » Anosivavaka. L’évènement a été dirigé par Le Directeur du Cabinet du Ministère de la Population.
Made 4 Woman fait travailler les femmes vulnérables qui bénéficieront d’une formation en art de la vannerie, couture, langue française et gestion.
Une crèche est spécialement aménagée pour les enfants des mères.
Une visite des produits réalisés a été organisée pour clôturer l’événement.