MANAMAFY NY FAHAVONONANY HIARAHA-MIASA NY MINISITERAN’NY MPONINA SY NY INSTAT ARY NY ECPAT FRANCE
Fanafamisam-piaraha-miasa roa sosona no nosoniavina androany 23 novambra 2022 tao amin’ny Minisiteran’ny mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ao Ambohijatovo.
Ny INSTAT sy ny Minisiteran’ny Mponina ary ny ECPAT France sy ny Minisiteran’ny Mponina no nanatanteraka izany ka ny Sekretara Jeneraly RAKOTONIRINA Patricia no nisolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia.
Ho tombony ho an’ny fiarovana ny ankizy sy ny fiahiana ny mponina eto Madagasikara izao fiaraha-miasa izao.