ZOMA FIFANAMPIANA | Boriboritany faha-2 Antananarivo
ZOMA FIFANAMPIANA | Boriboritany faha-2 Antananarivo
Tao amin’ny Boriboritany faharoa no nanatanterahana ny hetsika « zoma fifanampiana » ka Zokiolona sy olona manana fahasembanana miisa 217 ao amin’ireo Fokontany 24 izay mandrafitra ity Boriborintany ity no nisitraka izany.
Vary, menaka, siramamy, ronono, savony no natolotra. Fiaraha-miasa tamin’ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriboritany faharoa Lanto RAKOTOMANGA no nahafahana nanatanteraka izany.
Isan’ny nisitraka fanampiana ihany koa ireo mpanao fanatanjahantena sy ny Fokontany Miandrarivo.