MANANA ZO MIASA NY VEHIVAVY SY NY TOVOVAVY
MANANA ZO MIASA NY VEHIVAVY SY NY TOVOVAVY
Vehivavy niharan’ny herisetra no nomena fiofanana mahakasika ny zaitra, ny fanaovana sakafo ary ny fanamboarana mofomamy ho fanampiana azy ireo hiarina amin’ny fiainana. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa no nahafahana nanatanteraka izany.
Notolorana mari-pahaizana izy ireo rehefa nahavita izany fiofanana izany no sady nahazo « kit de demarrage » ho entiny miditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany.
Nahazo fampitaovana manokana ireo olona manana fahasembanana avy ao amin’ny ivotoerana ho an’ny olona manana fahasembanana Ampandrianomby.
Tonga nanome voninahitra ity hetsika ity ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa VAVITSARA RAHANTANIRINA Gabriella, ny Masoivohon’ny Japon eto Madagasikara ary ny solontenan’ny UNFPA.