MANKALAZA SAHADY NY NOELY MIARAKA AMIN’IREO MPIARA-MIASA AMINY NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA
23.12.2022
Amin’izao ankatoky ny noely izao dia nanolotra fanampiana ho an’ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ireo mpanao gazety miara-miasa akaiky aminy ny Minisitra SOAFILIRA Princia.
Harona lehibe misy vary, menaka, gisa ary ranom-boankazo no natolony azy ireo ho mariky ny fiaraha-mifety.
Ireo zanaky ny mpiara-miasa kosa dia notolorana kilalao.
Ny Minisitra SOAFILIRA Princia dia mirary sahady Noely feno fifaliana ho an’ireo mpiara-miasa rehetra ao amin’ny Minisiteran’ny Mponina, indrindra ho an’ireo ankizy sy ny Mponina manerana ny Nosy.