MARIHINA MANERANA NY FARITRA 23 NY ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY MPONINA
Ny firaisan-kina sy ny fampiatiana ara-tsosialin’ny mponina Malagasy »
Dinika an-databatra boribory izay niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka no nentina nanamarihana ny fankalazana androany 11 jolay 2022.
Tanjona ny fiarahana mizaha ny vahaolana enti-mampivoatra ny mponina eto Madagasikara ka voakasik’izany ny vehivavy, ny zokiolona sy ny ankizy ary ny olona manana fahasembanana.
Nitarika ny fankalazana sy ity fikaonan-doha ity ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.