FARITRA SOFIA | ZOMA FIFANAMPIANA TAO MAMPIKONY
FARITRA SOFIA | ZOMA FIFANAMPIANA TAO MAMPIKONY
Hafaliana no nandraisan’ny vahoakan’i Mampikony ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia rehefa tonga nitsidika tao an-toerana izy sy ny mpiara-miasa aminy. Nandritra izany no niresahany ny mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Nanentana ny fikambanam-behivavy ihany koa izy mba hiray hina sy hitoroka manoloana ny herisetra raha misy izany tranga izany. Notsarovana manokana ihany koa ireo zokiolona ka notolorana tohan’aina.
Tonga nijery ireo marary sy ireo reny mitaiza kely tao amin’ny Hopitaly be ny Minisitra ka nitondra fanampiana ho azy ireo.
Notsidihana manokana ny biraon’ny fitalevam-paritry ny mponina izay efa an-dalam-pahavitana tanteraka amin’izao fotoana izao.
Ny Zoma Fifanampiana no fotoana natokan’ny Minisitra SOAFILIRA Princia ifandraisana mivantana amin’ny Mponina amin’ny alalan’ny fanolorana tohana isankarazany ho fanohanana ireo tokatrano tena sahirana.