MIDONGY ATSIMO | Misedra olana nohon’ny kere ny Kaominina Soakibany.
07.10.2022
Tonga tao Soakibany ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta notarihin’ny Praiminisitra NTSAY Christian, nahitana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ary ny Minisitry ny Atitany. Nijery akaiky ny zava-misy ary nandray andraikitra avy hatrany, ho vahaolana vonjimaika.
Nanolotra sakafo ho an’ny Mponina, nanohana ara-bola ho fanampiana ny fikambanana isan-tokony toy ny Vaiavy Miavotse, ny Lehilahy Mandray Andraikitra, ny Fikambanan’ny Olon-kendry ary tsy diso anjara ny Mpanjaka ao an-toerana.
Nahafaly ny Mponina ny hetsika nataon’ireo delegasiona avy amin’ny Fitondram-panjakana ireo, indrindra ny fampahafantarana nataon’ny Praiminisitra mahakasika ny fanampiana amin’ny fananganana fotodrafitrasa.
Fisaorana no nasetrin’ny Mponina izany asa manakaiky vahoaka izany ka notolorany omby sy tsodrano ireo iraka tonga tany an-toerana. Nampitondrainy ihany koa ny fisaorana ho an’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay nijery manokana ny Mponina ao Soakibany.