MIFAMPIZARA TRAIKEFA AMIN’I RWANDA IREO MPIHANTSEHATRA AO AMIN’NY TETIKASA HARATON’AINA MADAGASIKARA
Ho fanomanana ny fanavaozana ny paikadin’ny nasionaly ho an’ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara dia manantanteraka fitsidihana sy fifanakalozana ao Rwanda ireo tomponandraikitra mahakasika ny tetikasa Haraton’aina eo anivon’ny Mininisiteran’ny Mponina sy ny FID.
Maharitra 05 andro ny fifampizana traikefa karakarain’ny Rwanda Cooperation izay vondrona mampihofana sy mpizara ny fahaiza-manaon’ny firenena Rwanda eo amin’ny lafiny fahaiza-mitantana.
Ny faran’ny volana septambra kosa dia ho tonga eto Madagasikara ireo delegasiona avy ao Comores sy Burundi ary Rwanda hifampizara sy hijery ny zava-misy azon’izy ireo tahafina.
Mitarika ny delegasionina sy misolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ny Sekretera jeneraly RAKOTONIRINA Patricia.