Minisiteran’ny Mponina misolo-tena ny fitondram-panjakana nizara CVO, caches bouche (Faritra Alaotra Mangoro)
Tonga teto Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, ny avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina, misolo-tena ny fitondram-panjakana nanolotra sy nizara 25 000 CVO sy 15 000 caches bouche. Fokontany 13 sy ny kaominina manodidina eto Moramanga no nisitraka izany. Nifandrimbona tamin’izao hetsika izao ny loholona sy solombavambahoaka avy eto Moramanga. Teo ihany koa ny tompon’andraikitra ambony eo amin’ny faritra nahitana ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro, sy ny lehiben’ny distrika.
Ny Zoma 19 jona 2020 dia nitohy tamin’ny fanofanana ireo tanora 300 hisahana ny fisivanana ireo hisitraka ny Tosika fameno ny Minisiteran’ny Mponina. Tao anatin’izany no nitondrana fanazavana sy fanentanana tamin’ny onjam-peo sy Tvm teto Moramanga momba ny fisitrahana ny tosika fameno, fandaharana niarahana tamin’ny BNGRC.