Minisiteran’ny Mponina nanolotra « kits de dignité » ho an’ireo ireo vehivavy Malagasy miisa 176 nody an-tanindrazana avy any Koweït
Nitohy ny fandraisana an-tanana ny fanaraha-maso sy fanadihadiana ireo vehivavy Malagasy miisa 176 nody an-tanindrazana avy any Koweït izay napetraka tao @ Domaine St François sy teny amin’ny La villa verte Ambatomirahavavy.
Nandritra izany no nanolorana « kits de dignité » ahitana ireo fitaovana ilaina andavanandro toy ny Seau, koveta, lambahoany, serviette de bain, 3 savons de toilette, 3 slips, 4 serviettes hygiéniques lavables, 1 Gobelet émaillé, 1 assiette émaillé, 1 cuillère, 1 peigne, 1 sac, 1 brosse à dent, 2 dentifrices ho azy 176 mirahavavy. Fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny UNFPA, OIT ary ny OIM. Tonga nanolotra fanampiana teny Ambatomirahavavy ny Minisiteran’ny Mponina izay notarihin-dRamatoa Sekretera Jeneraly.