Fijerena ifotony izay azo hanampiana ireo may trano tao Andohatapenaka 1 sy 3
Nirehitra ny harivan’ny Talata 22 jona 2020 tokony ho tamin’ny 4ora ny trano niorina teo ampita andrefan’ny INSCAE, ao anatin’ny fokontany Andohatapenaka 1 sy 3. Trano hazo manodidina ny 200 tafo no nirehitra. Olona manodidina ny 600 no tsy nanankialofana vokatr’izany. Tonga teny an- toerana ny mpamonjy voina. Noho ny lalana tery nefa dia sahirana ny rehetra tamin’ny fitarihana ny rano namonoana ny afo.
Tonga voalohany teny an-toerana ny Minisitry ny Mponina NAHARIMAMY Lucien Irmah niaraka tamin’ireo mpiara-miasa eto anivon’ny minisitera nanadiady sy nijery izay tolotanana ary filana tokony atolotra ireto niharam-boina. Tonga teny an-toerana koa ny governoran’ny faritra Analamanga sy Tale jeneralin’ny BNGRC ary ny lehiben’ny distrika Anatananarivo I. Ireto tompon’andraiki