MANANTONA SY MIJERY IFOTONY NY FANDAHARAN’ASA MAHAKASIKA NY VAHOAKA NY MINISITERAN’NY MPONINA.
MANANTONA SY MIJERY IFOTONY NY FANDAHARAN’ASA MAHAKASIKA NY VAHOAKA NY MINISITERAN’NY MPONINA.
« Raha Tia hihinana trondro ny zanako dia omeo haranjono. »
Taorin’ny Faritra Amoron’i Mania dia nitohy ny 20 septambra 2020 tany amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ny fidinana ifotony nataon-dRamatoa Minisitry ny Mponina MICHELLE Bavy Angelica ary nifarana tao amin’ny Distrikan’i Betafo n’y 21 septambra 2020.
Nitsidika ny ivo-toerana Sehatra Mahasoa tao Ankiboka. distrikan’ Ambohimahasoa.
Ireto fikambanana roa; » Soaiombonana » sy « Fanantenana »izay ahitana mpisitraka 42, novolavolaina avy tamin’ilay tetik’asa Vatsin’ankohonana ka nomena fanofanana momba ny fitaizana, ny fambolena sy fiompiana ara-tennika, fitantanam-bola iombonana.Nitsidika ny Lapan’ny Mpanjaka Betsileo tao Vohimasina, distrika Lalangina.
Hetsika lehibe roa no natrehina tao amin’ny fokontany Nasandratrony, Distrika Isandra, Faritra Matsiatra Ambony: fanombohana ny fizarana ny vatsy tsinjo sy fanolorana ny mpisitraka ny tantsoroka Fampivoarana avy amin’ny tetik’asa Vatsin’ankohonana. Mpisitraka miisa 440 no notolorana vatsy tsinjo avy amin’ny fitondram-panjakana. Fanampiana ireo olona sahirana noho ny ahamehana ara-pahasalamana. Teo ihany koa ny « Asa Avotra Mirindra » izay tetik’asan’ny fitondrana Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Mponina, Vatsia »ny Banky iraisam-pirenena vola. Ny FID no manatanteraka ny fitsinjarana. Kaominina 8 amin’ny 13 no misitraka izany eto amin’ny Distrika Isandra. VOAMAMI na « vondron’olona an-toerana miara manao tahiry sy mifampisambotra ». 1020 no mpisitraka ao Nasandratrony. 885 vehivavy 175 lehilahy. Mpisitraka ny Asa Avotra Mirindra ireo mpikambana ireto. Ny VOAMAMI dia ahafahan’ireo mpikambana manao tahiry avy amin’ny vatsy ara-bola na koa mindrana vola entina mihary, hamoronana asa, hividianana masomboly na miompy.
Nitsidika ny Centre de formation ho an’ny vehivavy sy ny tanora tao Nasandratrony.
Namaranana ny Fitsidihana ny tao amin’ny centre de formation-école. Ivo-toerana manofana ny fanodinana ronono ao Andriamboasary.
Nanamafy Ramatoa Minisitra fa » ny firaisana no angovo ». Manampy sy manafaingana ny fampandrosoana ny fifanomezan-tanana sy fiaraha-mientana eo amin’ny rehetra.
Fanolorana ireo Fitaovana ho an’ny fikambanana eto amin’ny distrika no notanterahina n’y 21 septambra 2020.
-Loka ho an’ny nahazo tamin’ny fifaninanana volan’ny ankizy 2020
-Ankizy 7 kamboty noho ny Corona omena fitaovam-pianarana.
-Kit enfant ho an’ireo kambana maty teo am-piterahana ny reniny
-Fitaovana ho an’ny fikambanam-Vehivavy 8 mars; machine à coudre, seau, koveta, lovia, sotro, borety, angady, kisoa, paty, savony, thermos, masombiby sy masomboky, zinga, fitotoan-kena, kojakojan-dakozia, lafaoro,
Ireo Fitaovana marobe ireo dia entin’izy ireo mampiroborobo ny fiharian’ny fikambanana.
Fidinana ifotony mba ahita ny zava-misy sy aheno ny hetahetan’ny mponina no antony ny fampandrosoana hoy Ramatoa Minisitra raha nandray fitenenana nandritra ny fandalovany teto amin’ny Distrikan’i Betafo
Nitarika ny fandraisana an-dRamatoa Minisitra MICHELLE Bavy Angelica sy ny Sekretera Jeneralin’ny Governemanta sady Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny FID tamin’izao fidinana ifotony izao hatrany ny Governoran’ny Faritra, ny Solombavambahoaka avy any an-toerana, ny Ben’ny tanàna, manamboninahitra sivily sy miaramila maro.
« Fitia mifamaly mahatsara fihavanana »