MISOKATRA NY BIRAO VAOVAO HO AN’NY PAM
20.01.2023
Tonga nanome voninahitra ny fitokanana ny biraon’ny Programme Alimentaire Mondial (PAM) ao Ivandry ny Minisiteran’ny Mponina niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ka nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana ara-tSosialy RIVOMANANA Ghisbert.
Efa an-taonany maro no niarahan’ny PAM nisehatra amin’ny lafin’ny fiahiana ara-tsosialy ary mbola ho hamafisina izany ao anatin’ny taona maro mifandimby ho tombontsoan’ireo mponina tena marefo ara-pivelomana.