MITOHY AO MOROMBE NY FITSIDIHANA SY FANKAHEREZANA IREO MPONINA TRABOINA
13.03.2023
Tonga maro ireo mponina tao Morombe rehefa nahare ny fitsidihana ataon’ny Filohampirenena sy ny vadiny ary ireo mpiara-dia aminy. Maro ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy tao an-toerana ka nitondra fankaherezana sy fitaovana ho an’ny tanànan’ny Morombe izy ireo.
Vary, menaka, voamaina sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ary ireo kojakoja samihafy toy ny seau, koveta, vilany ary lamba firakotra no azon’ireo traboina. Ireo tantsaha kosa dia notolorana masom-boly ho fanarenana ny simba.
Tsy diso anjara tamin’izany ihany koa ireo fikambanam-behivavy izay hisitraka fiofanana arak’asa sy fitaovana entiny miatrika ny andavanandrony.
Nandray anjara mavitrika tamin’ny fikarakarana sy ny fizarana izany ny Minisiteran’ny Mponina izay tarihin’ny Minisitra SOAFILIRA Princia miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy.