MITOHY NY FAMPIOFANANA IREO VEHIVAVY AVY AMIN’NY FARITRA 23
04.03.2023
MITOHY NY FAMPIOFANANA IREO VEHIVAVY AVY AMIN’NY FARITRA 23
Tonga nitsidika sy nankahery ireo vehivavy miisa 460 manaraka fiofanana momban’ny fandrahoana sy fihariana ny vadin’ny Filoham-pirenena Mialy RAJOELINA, niaraka tamin’ny Ministry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa VAVITSARA Gabriella.
Velom- pankasitrahana ireo mpandray anjara ary nampanantena fa hizara ny traikefa voarainy amin’ireo vehivavy namany any amin’ny faritra misy azy tsirairay avy.