MITOHY NY VONJY VOINA HO AN’IREO MPONINA AO IKONGO SY SAHASINAKA
Noho ny voina mahazo ireo mponina any Ikongo dia tonga tany an-toerana ny BNGRC izay tomponandraikitra voalohany amin’ny vonjy voina. Niaraka tamin’izy ireo ireo ny tomponandraikitra avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ireo mpiara-miombon’antoka maro.
Mitsinjara toy izao ny vonjy voina ao an-toerana :
– Tokatrano miisa 3 200 ahitana olona miisa 16 000 ahitana kaominina miisa 09 no misitraka vatsy ara-tsakafo enti-mampiharina azy ireo ka afahany miverina miasa sy mamokatra ;
– tokatrano miisa 13 200 no misitraka vatsy ara-bola avy amin’ny PAM ;
– tokatrano miisa 10 000 no misitraka Vatsin’Ankohonanna sy Tosika Fameno amin’ny alalan’ny tetikasam-panjakana Haraton’aina izay tanterahin’ny FID sy arindran’ny Minisiteran’ny Mponina ;
– tokatrano mitaiza ankizy marefo no tohanan’ny UNICEF ara-pahasalamana, sakafo ary vola ;
– eo ihany koa ny fanaovana sakafo mafana ho an’ireo olona izay tena marefo ara-batana
Misy ihany koa ny tohana ara-pahasalamana sy ara-tsakafo izay hataon’ny Talem-paritry ny Minisiteran’ny Mponina sy ny ONN ary ny CSBII ho an’ireo ankizy ao Sahasinaka.