MITSINJO NY SOSIALIN’NY MPIARA-MIASA IHANY KOA NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA
Ho fiarahabana sy fankaherezana ireo mpiara-miasa ao amin’ny Minisiteran’ny Mponina dia nanolotra harona ahitana vary, akoho sy menaka ary ronono ho azy ireo ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.
« Mamiko loatra ny fifampitokisana nisy teo amintsika hatramin’izay. Mafy ny asantsika teto amin’ny Minisiteran’ny Mponina kanefa teo foana isika ka mankasitraka anareo aho » hoy ny Minisitra SOAFILIRA Princia.