MPPSPF – EISA | MIRALENTA SY NY FIFIDIANANA
Mitohy hatrany ny ezaka hampandraisana anjara ny vehivavy eo amin’ny fiainam-pirenena mba isian’ny fandrosoana maharitra. Anisan’izany ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny miralenta sy ny fandraisana fanapahan-kevitra izay notanterahina tao amin’ny biraon’ny Minisiteran’ny Mponina.
Nandray anjara tamin’izany ireo tomponandraikitry ny Miralenta eo anivon’ireo Minisitera samihafa. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Minisitera sy ny EISA (Institut Electoral pour une Démocratie Durable en Afrique).
Tanjona ny hampitombo ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra eo amin’ny sehatra politika eny anivon’ny Minisitera isan-tsokajiny sy ny fiaraha-monina ary ireo fikambanana samihafa. Marihina fa misy ny tetikasa TALILY RAIKE, sahanin’ny EISA, izay efa nahazoana vokatra tsara.