NAHAZO BIRAO HANDRAISANA NY MPONINA AO AMIN’NY DISTRIKAN’I MANDOTO – Faritra VAKINANKARATRA
Nitokana foto-drafitr’asa maro tao amin’ny distrikan’i Mandoto ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian ny zoma 15 jolay 2022.
Isan’ny notokanana tamin’izany ny biraon’ny sampan-draharahan’ny mponina ao an-toerana izay ahitana birao 3, toeram-pivoriana1, toerana fitahirizana taratasy 1, toeram-pidiovana 2 ary toerana fandraisana ireo mpitsidika 1.
Tonga nanotrona izany ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo mpikambana vitsy ao amin’ny Governemanta ary ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila.
Nisy ihany koa ny fizarana ny vatsin’ankohonana sy kara-tany izay nanombohana ny fotoana.
Tonga maro ihany koa ireo Vehivavy avy amin’ny fikambanana maro sy ireo Viavy Miavotse izay anisan’ny hisitraka ireo tolotra avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina amin’ny alalan’ny fipetrahan’ity birao vaovao ity.
Mbola betsaka ihany koa ireo foto-drafitr’asa hisokatra amin’ity taona ity mba ho tanteraka ny tenin’ny Filohampirenena ny amin’ny tsy hisian’ny Distrika ho adino intsony eto Madagasikara.