NAMANGY NY FIANAKAVIAN’I RAMARO TSILAVO Andry sy RAFARASOA Fenohasina, TERA-BAO KAMBANA TELO
20.07.2022
Botofotsy, ronono ho an’ny reniny sy ireo zaza, siramamy, couche ary solon-drompatsa avy amin’ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, no natolotra ny fianakavian’i Ramaro Tsilavo Andry izay nahazo zaza kambana 03 mirahavavy. Natao izao ho fiarahabana sy fanohanana an’izy 05 mianaka amin’izao andro mamirifiry izao.
Nisolo tena ny Minisitra tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Mponina Andry RAKOTONDRAINIBE sy ireo Mpanolo-tsaina avy amin’ny Kabinetra.