NAMANGY NY MPONIN’I BONGATSARA NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA
Ankafaliana no nandraisan’ny mponin’ny kaomina ambanivohitra Bongatsara ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia izay iraky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA amin’izao asaramanitra izao.
« Na inona na inona ny olona sedrain’ny zaza Malagasy dia hita soritra eny aminy ny hafaliana. Raha haintsika ray aman-dreny ny mikolokolo an’ireo ankizy ireo dia mahazo matoky isika fa ahatombo olom-banona » hoy ny Minisitry ny Mponina.
Nitondra ny anjara arendrina sy kilalao ho an’ireo ankizy ao an-toerana ny Minisitra ary namporisika ireo ankizy hanana fahendrena sy hianatra tsara ho reharehan’ny ray aman-dreny.
Vary sy lamba firakotra ary lelavola ho an’ny fikambanam-behivavy kosa no natolony ho an’ireo ankohonana sy ireo zokiolona.