NAMPAHERY IREO TRABOINA TAO MANANJARY NY FILOHAM-PIRENENA SY IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA
24.02.2023
NAMPAHERY IREO TRABOINA TAO MANANJARY NY FILOHAM-PIRENENA SY IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA
Vokatry ny fandalovan’ny cyclone Freddy tao amin’ny Distrikan’i Mananjary, Faritra Vatovavy dia maro ireo traboina sy tsy manan-kialofana.
Nidina ifotony tao an-toerana ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nitsidika sy nitondra fanampiana ho azy ireo ary nizara sakafo mafana sy ara-pahasalamana.
Vary, menaka, siramamy, kits solaires ary kojakoja samihafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro no natolony tamin’izany. Nisy ihany koa ny fizarana ireo fitaovana enti-manarina ny trano rava sy ny lelavola nozaraina ho an’ireo tokatrano traboina izay mitoby ao amin’ny Centre Catholique Bethleem.
Masomboly 10 taonina no ho zaraina ho an’ireo tantsaha hanarenana ireo saha rava vokatry ny rivodoza nifanesy.
Notolorany fanampiana manokana ireo Ampanjaka tao an-toerana ary nomeny moto ireo Ben’ny tanàna mba hanampy azy ireo amin’ny asa ho an’ny vahoaka. Toe ihany koa ireo fiara ambulance vaovao misy fitaovana harifomba ho an’ny distrikan’i Mananjary, Vohipeno, Ikongo ary Nosy Varika.
Nanotrona azy tamin’izany ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Filoha lefitry ny Antenimieran-doholona ary ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay nahitana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.