NANATANTERAKA FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NY MINISITRY NY MPONINA SOAFILIRA PRINCIA NY ONG WAMY
16.01.2023
Tonga nitsidika sy niarahaba nahatratra ny taona vaovao ho an’ny Minisitra SOAFILIRA Princia tao amin’ny toeram-piasany ireo tomponandraikitra avy amin’ny ONG WAMY.
Anisan’ny voadinidinika tao anatin’izany ny fampiroboroboana ireo fikambanana Viavy Miavotse sy ireo tanora ao amin’ny fikambanana TAFA.
Ho jerena ny fomba afahan’ny roa tonta miara-miasa ka entina hanomezan-danja ireo tanora sy vehivavy. Eo ihany koa ny fanamafisana ny sehatry ny Fiahiana ara-tsosialy izay efa sahanin’ny Minisiteran’ny Mponina miaraka amin’ireo mpiara-miombonantoka maro.