NANKAHERY IREO MPONINA TRABOINA TAO ANDABOLY SY ANKILILAOKA IHANY KOA NY FILOHAMPIRENENA
12.03.2023
Hafaliana no nandraisan’ireo mponina tao Andaboly sy Ankililaoka (Toliara 2) ny Filohampirenena Andry RAJOELINA mivady sy ireo delegasiona niaraka taminy. Maro ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy tao an-toerana.
Mitohy ny fanoloran’izy ireo fanampiana ka nisitraka izany ireo traboina tao Ankililoaka sy Andaboly ka nahazoan’izy ireo vary, menaka, voamaina sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ary ireo kojakoja samihafy. Ireo tantsaha kosa dia notolorana masom-boly ho fanarenana ny simba. Tsy diso anjara tamin’izany ihany koa ireo fikambanam-behivavy izay hisitraka fiofanana arak’asa sy fitaovana entiny miatrika ny andavanandrony.
Nandray anjara mavitrika tamin’ny fikarakarana sy ny fizarana izany ny Minisiteran’ny Mponina izay tarihin’ny Minisitra SOAFILIRA Princia.