NANKALAZA NY ANDRO IRAISAMPIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY AFRIKANA NY FARITRA ITASY.
22 sy 31/07/2023
Sarobaratra Ifanja Miarinarivo
sy Arivonimamo
NANKALAZA NY ANDRO IRAISAMPIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY AFRIKANA NY FARITRA ITASY.
Fisoratam-panambadiana faobe ho an’ny mpivady 65 tao Sarobaratra Ifanja, Distrika Miarinarivo sy fanentana ireo mpianatry ny Oniversite RAVELOJAONA Arivonimamo sy ireo Fikambanam-behivavy no nentina nankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Vehivavy Afrikana teto amin’ny Faritra Itasy.
Izany no natao dia mba hiadiana amin’ny herisetra ary koa nivoizana ny lohahevitra izay nifantoka tamin’ny nomerika ka namporisihana ireo mpianatry ny Oniversite sy Fikambanana mba hampita fahalalana momba izany ary koa hitondra fivoarana sy fiitovian-jon’ny lahy sy ny vavy, indrindra ny ankizivavy eto amin’ny Faritra.
Nizarร na boky kely fanentanana moa ireo manam-pahefana sy mpanotrona izay isaorana mitafotafo tamin’ny fandraisana andraikitra.
FARITRA ITASY, VONONA KA TSY MAINTSY MANDROSO.