NANKASITRAKA NY MPITSABO NANDRAY AN-TANANA IREO TOVOVAVY NIHARAN’NY HERISETRA NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA
Ankizy vavy maherin’ny 10 niharan’ny herisetra ara-batana sy ara-tsaina tamin’ny alalan’ny fakana an-keriny no notsaboina tao amin’ny HJRA. 15 ka hatramin’ny 29 taona izy ireo. Efa tafavoakan’ny toeram-pitsaboana kosa izy ireo ankehitriny.
Ho fankaherezana ireo mpitsabo, nandray an-tanana an’ireo vehivavy niharan’ny herisetra ireo, dia nanolotra fankasitrahana manokana ho azy ny Minisitra SOAFILIRA Princia izay nahitana vary, menaka, savony, pate, ronono, akoho. Lamba firakotra kosa no natolotra ireo marary ao amin’ny hopitaly.
Manameloka tanteraka ny herisetra hatao amin’ny mponina ny Minisitra SOAFILIRA Princia indrindra fa amin’ny vehivavy sy ny ankizy.