Natao tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Farafangana ny fametrahana ny vato fototry ny ivotoerana ho fandraisana ireo iharan’ny herisetra (VBG) ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana
Nanome voninahitra ny lanonana ireo olo manan-kaja maro teny an-toerana izay notarihin’Andriamatoa Governoran’ny Faritra Atsimo Atsinanana.
Ny Ivo toerana dia ahitana efitra 2, efitra fandaminana entana 1, birao 3, toerana fitahirizana taratasy 1, toerana fandraisana ireo mpitsidika 1, efitra lehibe 1, lakozia 1, toerana fidiovana 2 ary toerana fivoahana 4.
Ity foto-drafitr’asa ity dia tafiditra anatin’ny tetik’asan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay tanterahin’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary Fampivoarana ny Vehivavy