NIARAHABA NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA NAHATRATRA NY TAONA 2023 IREO MPIARA-MIASA MANERANA NY NOSY
Amin’izao nahatratrarana ny taona vaovao 2023 izao dia tonga niarahaba sy nirary soa ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ireo tomponandraikitra mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Minisitera niaraka tamin’ireo Talem-paritra.
Nandritra izany no nankasitrahany ireo asa vita sy nanamafisany ny fahavonany hanatanteraka hatrany ireo asa goavana ho fiahiana ny mponina miaraka amin’ireo Talem-paritra manerana ny Nosy.